K45 , Ny Komitin’ny 45 Taona

Faha-45 taona : Andao hiara-dia !

Ry havana malala ao amin’ny Tompo,

Amim-pifaliana sy amim-piraisankina tanteraka no iarahabanay K45, Komity mpikarakara, antsika rehetra eto amin’ity sehatra ity.

Ity tranonkala ity dia natao ho rantsana mampifandray antsika amin’ny fotoana Fankalazana an’ Andriamanitra noho ny faha 45 taonan’ny Fiangonanantsika mandritra ity taom-pivavahana 2026-2027 ity.

Aoka isika hiray saina amin’ilay teny faneva manao hoe:

« Fa Kristy no velona ato anatiko » (Gal 2,20)

Tranonkala ho antsika rehetra

Ity sehatra ity dia natao hanampy sy hanentana antsika isan’andro. Ho hitantsika ato:

  • Ny fandaharam-potoana ofisialy : Ireo vadi-pankalazana sy hetsika rehetra mandritra ny taona.
  • Vaovaon’ny fanomanana : Haparitaka ato ny vaovao farany ny mikasika ny fikarakarana. Ny dingana rehetra vita, ny sary, ny horonantsara ary ny antsipiriany amin’ny fanatanterahana ny asa dia ho hitantsika ato avokoa.
  • Ny « Boky Volamena » : Mampifandray ny taranaka
    Noforonina manokana ato amin’ity tranonkala ity ny Boky Volamena ho
    • Fijoroana ho vavolombelona : Toerana hizaran’ny zokiolona sy ny ray aman-dreny ny fijoroana ho vavolombelona momba ny tantara niarahana tamin’ny Tompo teto amin ‘ny fiangonana FKMA
    • Firariana : hanasana antsika rehetra ihany koa hametraka ny firariana sy ny vavaka ho an’ny hoavin’ny Fiangonantsika.
  • Ny Tahirin-tsary : Sehatra ahafahantsika mijery ireo sary sy horonantsary tany aloha nandritra izay 45 taona izay, ary koa ireo fahatsiarovana vaovao hotratrarintsika miaraka amin’ity taom-pankalazana ity.

Andao hiara-hiaina izao fankalazana izao

Tsy ho mpijery fotsiny isika, fa andao handray anjara mavitrika. Andao hanaraka akaiky ny vaovao rehetra ary andao hifanome tanana. Ity tranonkala ity no anisan’ny fitaovana hitazomana antsika ho tafaray ao amin’ny Tompo.

Hahatonga antsika ho olom-baovao anie izao faha-45 taona izao, ka i Kristy tokoa no hivelona ato amintsika tsirairay avy!