✨ « FA KRISTY NO VELONA ATO ANATIKO »
📖 Galatiana 2:20
🎶 Vaovao mahafaly ho antsika rehetra :
- 🙏 Misaotra an’Andriamanitra isika fa voafidy ny hira faneva
- 🤝 Mankasitraka antsika rehetra izay nifidy sy ireo nanolotra hira
- 🏆 Ny hira voafidy dia : « Kristy Velona »
- 🎤 Hanomboka rahampitso ny fianaran-kira
🌿Misaotra indrindra 🙏
KRISTY VELONA, SOLFA

KRISTY VELONA, TONONY
Endrey Ny Hafaliana Tratr’izao Anio
Ny Fiangonanao Mijoro Ambany hasoavanao
Jesoa Ilay Tena Vatolampy izay Iorenany,
Dia tsy Miova Omaly, Anio Ary Mandrakizay
Feo Miray, Manambara Finoana
Kristy Velona Ato Anaty, Tsy Hamela Hirona
Mijoro Sahy, Mitondra Hazavana
Ampy Mizara Ny Fitiavany – Derao Mandrakizay
Ireo Efa Nahazo Maimaimpoana
Dia Irahinao Hitory Sy Hitaona
Ho Ao Ambalanao Jesoa, Mba Tsisy Hania,
Satria Tianao Hovonjena, Iray Ao Aminao
Feo Miray, Manambara Finoana
Kristy Velona Ato Anaty, Tsy Hamela Hirona
Mijoro Sahy, Mitondra Hazavana
Ampy Mizara Ny Fitiavany – Derao Mandrakizay
Mivavaka izahay, Ombao Ry Fanahy
Hampitombo Ny Talenta, Sy Hafanan’ny Fo
Ka Hikatsaka Hatrany Ny Sitrakao Ry Ray
Miara-belona amin’Ilay Jesoa Tompo Soa
Feo Miray, Manambara Finoana
Kristy Velona Ato Anaty, Tsy Hamela Hirona
Mijoro Sahy, Mitondra Hazavana
Ampy Mizara Ny Fitiavany – Derao Mandrakizay
Feo Miray, Manambara Finoana
Kristy Velona Ato Anaty, Tsy Hamela Hirona
Mijoro Sahy, Mitondra Hazavana
Ampy Mizara Ny Fitiavany – Derao(Derao), Derao – Derao Mandrakizay !